Tsy eto Madagasikara ihany fa efa tonga hatrany ivelany ny hetsika fitakiana ny fahamarinana mikasika ny voka-pifidianana .Namoaka fanambarana ireo vondron’ny Malagasy monina sy miasa any Etazonia ny faran’ny herinandro teo mba ho fanajana ny tena safidim-bahoaka marina.
Ny tany Frantsa dia nisy ny hetsika natao tao amin’ny Place de la République ao Paris ka tazana nandritra izany ny sorabaventy miantso ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mba hanaja ny safidim-bahoaka. Miombom-po tanteraka amin’ireo mpiray tanindrazana mitolona ho amin’ny fahamarinana izahay aty ampita na dia lavitra aza, hoy ireto Malagasy ireto. Na ireo monina any Etazonia na ny any Frantsa dia mahafantatra tsara fa manana ny lanjany goavana ny demokrasia sy fanajana ny safidy amina resaka fifidianana. Manana ny maha izy azy ary tsy azo hamaivanina mihitsy na dia vato iray monja aza, hoy ireto Malagasy ireto ka aoka hohajaina ilay safidy. Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ireo “Diaspora” Malagasy any Eoropa sy Amerika avaratra ireto ary efa nilaza fa tsy hipetra-potsiny manoloana ny fanosihosena ny safidim-bahoaka.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.