Nitondra ny heviny mahakasika ny kabary firarian-tsoa nataon`ny Filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, i Maka Alphonse, filohan`ny Komitin`ny fampihavanana Malagasy (CFM).
Nambarany fa zava-dehibe ny fanentanana hisian`ny fitoniana mifandraika amin`ny firenena satria raha tsy misy ny fandeferana, tsy hisy fihavanana, tsy hisy fitoniana ary tsy hisy ny asa fampandrosoana vanona. Tombontsoa ambonin`ny firenena ny hisian`ny fampihavanana, hoy i Maka Alphonse ary ny fampihavanana no lehibe indrindra. Andraikitry ny CFM araka ny lalàna no mametraka ny fampihavanana sy asa fampitoniana. Amin`izao toe-draharaha mafana izao dia tsy ny hisian`ny tsimatimanota sanatria fa ao anatin`ny tany tan-dalàna no ampiharina ny toe-tsaina ananan`ny Malagasy dia ny soatoavina. Mampalahelo kosa, hoy izy fa tsy nihaona ireo kandidà roa tonta na dia niezaka nampifanatona azy ireo aza ny CFM, araka ny fanapahana teny amin`ny Hotel Panorama tamin`ny taon-dasa. Ireo olona akaiky azy ireo izay niara-niresaka tamin`ny CFM dia samy nanaiky ny hihavanan’ny roa tonta ary samy manaiky ihany koa fa ny fampihavanana sy ny fitoniana no antoky ny fampandrosoana eto Madagasikara. Nanambara i Maka Alphonse fa miisa 36 ireo raharaha tonga ao amin`ity komity ity momba ny fangatahana famotsoran-keloka. Hisy ny fivoriambe hatao ato ho ato na dia eny amin`ny Filankevitra ambony aza ireo raharaha ireo. Eo ihany koa ny fandinihana ireo fitarainana “Indemnisation et réparation” izay eo amin`ny 1 000 mahery ny isany ka miantso ny polisy sy zandary hanao fanadihadiana mikasika izany, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.