Politique

Maka Alphonse « Miharatsy ny endrik’i Madagasikara »


  • Zoma 04 Janoary 2019

Ao anatin’ny vanim-potoana sarotra ny firenena ka ilaina ny fametrahana ny fitoniana mba tsy hanaratsy an’i Madagasikara any ivelany. Raha manaraka ny vaovao maneran-tany dia lazaina fa hiditra krizy indray i Madagasikara, hoy ny filohan’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM),

 Maka Alphonse. Tokony ho ao anatin’ny filaminana no andraisantsika ny taona vaovao fa mila manaja fitoniana satria tsy hahazo tombontsoa amin’ny savorovoro satria raha izao no mitohy ho simba indray ny endrik’i Madagasikara ka ahiana ireo mpijirika indray no hahazo tombony mba hanaovany banga indray alina ny harenantsika eto, hoy hatrany ny fanazavana. Miantso ny Malagasy rehetra handala hatrany ny fihavanana sy fitoniana ary filaminana mba hotandrovana ny firaisankina.  Mahakasika ny toe-javatra misy ankehitriny dia nilaza ity filohan’ny CFM fa efa nampiantso ireo mpisehatra roa tonta mba hifandinika ny alarobia lasa teo ity rafi-panjakana ity saingy tsy tanteraka izay fampiantsoana. Araka izany,  manao antso avo ho an’ ny olona rehetra hanao mba hikatsaka izay fitoniana izay ary hanaja ny didy aman-dalàna eto amin’ny firenena, hoy hatrany i Maka Alphonse, filohan’ny CFM.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT