Manara-maso akaiky ny fizotran`ny fifidianana ihany koa ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM). Namoaka ny didiny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) satria tany tan-dalàna i Madagasikara.
Ity Andrim-panjakana ity ihany no afaka mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy. Niaina tao anatin`ny fitoniana ny vahoaka Malagasy tamin`ny fiandrasana izay, hoy i Maka Alphonse filohan`ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Hiroso amin`ny dingana manaraka ny CFM ka hangataka fihaonana amin`ny kandidà hisian’ny fitoniana. Nohamafisiny kosa fa maro ireo tsy fahatomombanana tamin`ny fanomanana iny fifidianana iny. Aoka ny rafi-panjakana manomana azy mba hisintona lesona tamin`ny fihodinana voalohany. Ohatra noraisin`ny filohan`ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa ireo karatra tsy voazara. Azo sorohana anefa izany, hoy ny filohan`ny CFM. Notsindriany hatrany fa tsy azo ivalozana ny didim-pitsarana na ny fanapahana noraisin`ny HCC fa kosa miandrandra fitoniana hatrany ho an`ny firenena. Mahakasika ny fidiran`ny vahiny amin`ny fanaraha-maso fifidianana dia niteraka resabe teto Madagasikara ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokatranon’i Madagasikara na raharaham-pirenena na raharaham-pifidianana. Ny HCC rahateo dia nitondra fanazavana nilaza fa diso sy tsy mitombina velively ny fametrahana ny Vondrona eoropeanina anisan’ny mibaiko na miditra amin’ny fanisam-bato eto amin’ny HCC. Nanamarika ny filohan’ny HCC fa dia fijerena ny fomba fiasan’ ny HCC no nataon’ireo vahiny. Ny mpanao politika sasany anefa dia milaza fa mibaiko sy mijabaka ny raharaham-pifidianana ny vondrona eoropeanina sy ireo mpamatsy vola fa raha izao no mitohy dia miverina tanteraka amin’ny fanjanahana tanteraka isika eto Madagasikara. Misy ireo mpanao politika mandroso soso-kevitra amin’ny fanomanana ny fifidianana amin’ny dimy taona manaraka mba tsy hidiran’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranony. Ny filohan`ny CFM, Maka alphonse, rahateo dia nametraka fa anjaran’ny Malagasy no mandamina ny raharaha misy ao aminy. Midika ve izany fa tsy tokony hijabaka amin`ny fiatrehana fifidianana ny vahiny ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.