Politique

Maka Alphonse “Aoka ny CENI hisintona lesona”


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Manara-maso akaiky ny fizotran`ny fifidianana ihany koa ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM). Namoaka ny didiny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) satria tany tan-dalàna i Madagasikara.

 

 

 

 Ity Andrim-panjakana ity ihany no afaka mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy. Niaina tao anatin`ny fitoniana ny vahoaka Malagasy tamin`ny fiandrasana izay, hoy i Maka Alphonse filohan`ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Hiroso amin`ny dingana manaraka ny CFM ka hangataka fihaonana amin`ny kandidà hisian’ny fitoniana. Nohamafisiny kosa fa maro ireo tsy fahatomombanana tamin`ny fanomanana iny fifidianana iny. Aoka ny rafi-panjakana manomana azy mba hisintona lesona tamin`ny fihodinana voalohany. Ohatra noraisin`ny filohan`ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa ireo karatra tsy voazara. Azo sorohana anefa izany, hoy ny filohan`ny CFM. Notsindriany hatrany fa tsy azo ivalozana ny didim-pitsarana na ny fanapahana noraisin`ny HCC fa kosa miandrandra fitoniana hatrany ho an`ny firenena.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT