Nanambara ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Olala fa tsy maintsy hisy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara.
Tokony halamin’ireo kandida ny mpomba azy, hoy izy. Izay kandida lany eo dia aoka hanatanteraka ny teniny fa tsy hanao kobaka am-bava toy ny teo aloha. Antenaiko fa hahafantatra izay ho avy eo fa tsy misy ambonin’ny lalàna ka hampihatra lalàna araka ny tokony ho izy. Tokony hahafantatra fa tsy mahavanona firenena ny kolikoly ary hamongotra izany farany haingana. Mba tsy hisy intsony ny mpitondra mampiasa ny anaran’ny vahoaka hiarovany ny sipany sy aferany. Tokony hialana koa ny fampiasana ny volam-bahoaka dia lazaina fa avy amin’ny vadinao na avy aminao na fianakavianao. Malaza moa ankehitriny ny mikasika ny raharaha Mbola Rajaonah. Nambarany fa be dia be ny mpitondra sy olona toa an’ity mpandraharaha ity ary mbola be dia be ny ho avy eo. Raha misy tsy nety nataony, hoy ny Maitre Olala, dia tokony hohenjehina amin’ny lalàna izy fa tsy politika. Misy mantsy ny manampatra fahefana amin’ny lafiny tsy tiako bika tsy tiako tarehy. Tsy manohitra fitsaram-bahoaka aho raha izay no zava-misy, hoy ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.