Politique

Maitre Willy Razafinjatovo Manao fanaparam-pahefana ny fitsarana


  • Talata 30 Jona 2015

Anio maraina amin’ny 8 ora no hiverina hiakatra fitsarana i Rado Rabarilala, mpitondra tenin’ny mpiasan’ny kompania Air Madagascar. Tsy vita omaly ny fihainoana azy teny amin’ny lapan’ny fitsarana teny Anosy noho ny fisavana tsy maintsy mbola natao tamin’ny tranony.

 


 

 Ho an’ny mpisolovava azy i Me Razafinjatovo  Willy  na Olala dia tsotra ny resaka, noho Rabarilala Rado nampihatra ny zony hitokona no nahatonga izao rehetra izao kanefa ny lalàmpanorenana  dia manome mazava ny mpiasa malagasy zo hitokona, hoy ity mpisolovava ity. “Manomboka izao ve izany dia hogadraina avokoa izay mpikambana amin’ny delegen’ny mpiasa mitaky ny zony amin’ny alalan’ny fitokonana ?”, hoy ny  Me Razafinjatovo  Willy. Naneho ny alahelony ihany koa ity mpisolovava ity amin’ny ambarany fa fanaparam-pahefana ataon’ny fanjakana. « Milaza ho manaja ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny zon’olombelona ity fitondrana ity kanefa   dia izy ireo ihany no manome baiko ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsara hanao izao fanaparam-pahefana rehetra izao », hoy  ny Me Olala. Nambarany mantsy fa tsy manaraka ny lalàna ihany koa ny nisamborana an’i Rado Rabarilala amin’ny andro tsy fiasana.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT