Politique

Maitre Willy Razafinjatovo “Aoka hanapa-kevitra ireo mpilatsaka hofidiana !”


  • Talata 30 Oktobra 2018

Manoloana ny zava-nitranga teto amin’ny firenena ny faran’ny herinandro teo, teo amin’ny tontolon’ny fampielezan-kevitra eto Madagasikara dia naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny toe-draharaha amin’ny maha mpahay lalàna azy ny mpisolovava, Willy Razafinjatovo na Olala.

 

 

“Fa angaha ny HCC no tompon’ny lalàm-pifidianana  ka afaka hiteny fa tsy azo hahemotra ny fifidianana ?”, hoy ny tenany,  Ny lalàna dia milaza fa rehefa misy tranga tsy azo hanoharana dia tsy maintsy hahemotra io. Ohatra amin’izany izao ny ao anaty lalàna fehizoro na “loi organique” mikasika ny resaka loza voajanahary. Anisan’ny antony tokony hanemorana azy izany izao. Tamin’ny herinandro ihany koa nalaza ireny ny fifandonana teo amin’ny resaka mpomba ny atsy sy ny aroa ary nisy trangana fahafatesan’olona mihitsy. Izaho dia milaza fa raha mbola azo atao ny manao zavatra tsara dia aleo atao mba ialana amin’ireny zava-niseho toy ny tamin’ny herinandro ireny. Ny zava-misy, raha izao fitrangany izao, dia tsy maintsy hifanandrina ireo olona ireo avy eo satria efa samy nandany volabe ary samy mihevi-tena fa maro mpanara-dia sy tsy maintsy ho lany. Ny antso avo ataoko, aoka hieritreritra sy hanapa-kevitra ireo mpilatsaka hofidiana mba tsy hahafaty ny vahoaka, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT