Politique

Maitre Sanga Noesorina tsy ho filoham-pokontanin’Amborovy


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

Ny zoma alina teo no nivoaka ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny distrikan’i Mahajanga I mikasika an’i Maitre Sanga amin’ny fanalana azy tsy ho filohan’ny fokontany Amborovy intsony. Noho ny fanakianana sy ny fitaomana ny olona hiady amin’ny samy mitovy foko ary ny

fanimbazimbana ny foko Antandroy no tena antony nahatonga ity lehiben’ny fokontany ity noesoriana teo amin’ny toerany. Maro ireo fitarainana azo avy amin’ny vahoaka any an-toerana mikasika ny fomba fiasany, indrindra eo amin’ny lafiny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny resaka finoana izay niteraka resabe tao Mahajanga. Ny lefiny  no misolo ny toerany ankehitriny mandrapahatongan’ny fifidianana izay ho filoham-pokontany. Tsy nametraka olana anefa izy taorian’ny fanapaha-kevitra fa dia nanaiky an-tsitrapo. Nanamafy izy fa tsy hampiova azy eo amin’ny finoana izay arahiny ny fanesorana azy teo amin’ny toerany. Hanohy hatrany i Maitre Sanga amin’ny fanarahan-dia an’ilay Jesosy Marc Tatandraza izay inoany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT