Nampiaka-peo i Maitre Sanga sefom-pokontany ao Amborovy Mahajanga tamin’ny fanehoan-keviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena
Nambarany fa «hiafara amin’ny rà mandrika ity fitondrana ity ary mpitondra fivahana no hisolo toerana». Nokihanin’i Maitre Sanga mafy koa ireo mpanao politika izay mpampiesona vahoaka sy mangoron-karena ao anatin’ny fahasahiranam-bahoaka. Sanganehina avokoa ny olona tonga nihaino ity lehiben’ny Fokontany ity tao amin’ny birao fiasany ny zoma teo ary nilaza fa tsy mipetraka amin’ny maha sefom-pokontany azy i Maitre Sanga fa mampisavorovoro saim-bahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.