Politique

Maherifon’ny firenena Notsiahivina manokana


  • Talata 31 Jolay 2018

Daty tsy azo kosehina amin`ny tantaram-pirenena ny datin`ny 30 jolay 1978.

Notanterahina omaly alatsinainy 30 jolay teny Mausolée ny fametrahana fehezam-boninkazo ho mari-pahatsiarovana ny faha-40 taona namindrana ny taolambalon`ireo maherifon’ny firenena teny an-toerana. Raha tsiahivina, nianjera ny 30 jolay 1976 tao Ankazomiriotra ny angidim-by nitondra ny praiminisitra tamin`izany sy ireo mpiara-miasa aminy dia ny Lieutenat Colonel Rakotomalala Joel, Rajaonah Pierre, Rakotonirainy Alphonse…, hoy ny Lieutenant Rasombiniaina Aimée, mpandinika ny tantaram-pirenena. Miisa fito izy ireo no namoy ny ainy. Marihina fa ny Lieutenant Colonel Joel Rakotomalala no nametraka ny vatofehizoro teny Mausolée ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin`ny taona 1947, antony tsy nampikoso-maso ireo mpandala ny tantaram-pirenena hanomezana voninahitra omaly. Tonga nanome voninahitra ny hetsika fahatsiarovana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo tompon’andraikitra ambony ary manamboninahitra maro. Nitohy teny Ankatso ny fanateram-boninkazo ho fahatsiarovana ny faha-70 taona nitifiran'ireo mpanjanatany ireo Maherifo niady ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara, dia ny Lieutenat Albert Randriamaromanana, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, Bekamisy ary Lezoma.

 

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT