Mangingina sy tsy dia handrenesam-peo ny etsy Tsimbazaza satria takona tanteraka noho ny fisian’ny hetsika tarihin’ny depiote mpanohitra na ny depioten’ny fanovana, izay efa nilaza fa tsy hivory.
Tsy te hiray latabatra sy hifampiraharaha amin’ny depiote sokajiany ho mpanao kolikoly. Ireto an-daniny ihany koa aza moa nisy fotoana nilaza fa tokony horavana ihany koa ny antenimiera, izay toa mbola mampiseho sy te hiedinedina fa mbola ho lany na malaza ratsy aza. Nambaran’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Mahazoasy Freddie omaly fa mandeha tsara ny asa na ny asan’ny depiote na ny asam-baomiera na ny asan’ny mpiasa sy ny fanodinan-draharaha ao amin’ny antenimieram-pirenena. Mbola tohizana foana ny antso avo ho an’ny havana mbola manao fihetsiketsehana any ivelany, hoy hatrany izy. Nambarany fa miasa sy manatanteraka ny asa nifidianana azy any amin’ny antenimieram-pirenena izy ireo rehefa amin’ny fotoan’ny fivoriana. Nilaza kosa ity solombavambahoakan’ny fitondrana ity, fa ao amin’ny andininy faha-8 ao amin’ny fitsipika anatin’io andrim-panjakana io, dia miteny fa ny depiote tsy hita maso mihitsy ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana iray, dia naman’ny mametra-pialana. Ka mba hisorohana izany dia tokony hanao fanamarinana amin’ny maha mbola eo na “acte de presence” ireo namana mbola manao fitakiana izay mbola any ivelany, hoy izy. Mbola manantena ve izany izy sy ireo mpiara-dia aminy fa hiverina hilamina sy handeha amin’ny laoniny ny eny Tsimbazaza ? Toa efa lasa lavitra ny an-daniny, ary manasokajy ireto farany ho mpamadika tanindrazana, ary efa nametraka fitoriana noho ny resaka kolikoly aza. Raha nanan-kambo ireto farany, ary tena madio tokoa dia azo antoka fa tsy nanaiky lembenana fa nitory ihany koa satria fanalam-baraka ankitsirano azy ireo ny filazana fa nanao kolikoly avo lenta. Tsy nisy aloha na iray aza sahy nanao izany, izay toa mampitombina ny hoe nanao matoa manaiky halam-baraka ho nanao kolikoly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.