Politique

Maharante Jean de Dieu Ambonin’ny filoham-pirenena angaha ?


  • Talata 02 Jona 2015

Nanaitra ny mpanara-baovao ny fanambaran’Atoa Maharante Jean de Dieu minisitry ny Asa sy ny Lalŕna sosialy tao amin’ny fahitalavitra Tv Plus ny alahady alina teo. Sempotra tamin’ny fanakianana sesilany nataon’Atoa Patrick Raharimanana filohan’ny antoko Vitatsika

 

 Io ity minisitra miaro ny  tombontsoan’ny Filoham-pirenena ity ka nanambara fa tsy lalàna ny fehin-kevitra notapahina teny  Ivato nandritra ny dinika fampihavanam-pirenena nokarakarain’ny FFKM  ka tsy voatery hampiharina na dia nosoniavin’ny  Filoham-pirenena aza. « Voalohany, hoy ingahy   Maharante  Jean  de Dieu dia tsy  tsoa-kevitra na  « résolution » iny nivoaka teny amin’ny CCI Ivato  iny fa tsy soso-kevitra na «  suggestion »  ary amin’ny maha mpandray anjara azy fotsiny, hoy ity minisitry ny Asa ity no nanaovan’ny Filoha sonia ». Fanazavana tsy mampino  tokoa satria  sonian’ny Filoham-pirenena no resahina. Voafitaka ary ve izany  ireny  olona an’arivony  nisolotena ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa  nandritra iny fivoriana iny raha nilazan’ny Filoham-pirenena fa hotanterahina izay voalaza tamin’iny fanambarana iny fa ny fotoana hanatontosana azy no mety hisy fiandrasana araka ny mahamety izany ? Miezaka mitana ny teniny ihany ny Filoha amin’ny fanatanterahana izay voalaza raha horaisina ohatra ny  fanafoanana ny  sazy nihatra tamin’i Dada. Ny minisitra Maharante Jean de Dieu ve  izany no hanova izay nifanarahana teny Ivato ?

Andry  Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT