Politique

Mahamasina - 26 jona Misy andian’olona voakarama hanakorontana ?


  • Alakamisy 25 Jona 2015

Mamofompofona zavatra hafahafa ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny Fetim-pirenena amin’ity. Nasiam-panovana ny fandaharam-potoanan’ny matso sy ny mpandray anjara.


Loharanom-baovao samihafa no milaza fa misy ny fikasana hanakorontana ny matso rahampitso zoma 26 jona mba hanaratsiana endrika ny fitondrana amin'izao fotoana izao sy Hery Rajaonarimampianina manokana. Raha ny vaovao azo, efa mandeha ny fizarana vola 5 000 Ariary sy 10.000 Ariary eny ambany tanàna eny, ka solombavambahoaka lahy iray mafana fo no atidoha miketrika izany. Fiara 4L mitondra laharana eto Antananarivo no mivezivezy mizara io vola io teny Anjezika, Andavamamba, Manarintsoa Isotry sy Ankorondrano iny. Ny hihogahoga sy hanakora ny Filohan’ny Repoblika rehefa miditra ao Mahamasina izy no iraka hampanaovina ireo olona nozaraim-bola ireo. Etsy an-danin'izany, nisy koa nanomboka omaly, fizarana t-shirt misy ny sarina Filoha teo aloha. Hesorin’ireo nahazo azy ilay T-shirt vao migadona ao Mahamasina ny Filoha Rajaonarimampianina dia ahofahofa hilazana fa ilay Filoha teo aloha amin’ny sary eo amin’ny akanjo no tena izy fa tsy ny am-perinasa amin'izao fotoana. Noho ireo antony ireo ve no nanovana ny fandaharam-potoanan’ny Matso eo Mahamasina rahampitso ? Fantatra mantsy fa ao anatin'ny kianjaben'i Mahamasina ihany no hisafo andian-tafika ny Filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny foloalindahy. Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara, ary ny mampalahelo dia ny fampifandrafesana ny samy Malagasy ataon’ny mpanao politika sasany, noho ny resaka tombontsoa manokana. Tokony ho tonga saina ihany ny vahoaka amin'izany, mba tsy hanao sorona ny aina na hanao vy very amin'ny vola kely tsy mahavita taona, nefa ny mpanao politika mianoka sy tsy mizara ny volabe any am-pelatanany.


 

Jean D

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT