Politique

MAHAJANGA Terena hifidy HVM ireo sefom-pokontany


  • Zoma 15 Mey 2015

Efa tsy miafina intsony fa dia hitam-poko, hitam-pirenena ny fanerena mahazo ireo lehiben’ny fokontany 26 ao Mahajanga ny tsy maintsy hanaovan’izy ireo fanentanana ireo vahoaka isam-pokontany ny hifidy ny kandida avy amin’ny antoko HVM

 

 

. Tambazana vola sy ampantenaina toerana ary fitaovana ireo sefom-pokontany ireo raha manao io fitaomana ny olona hifidy ny kandidan’ny fitondrana  amin’ity fifidianana ho avy ity. Misy amin’ireo lehiben’ny fokontany ireo anefa no efa manana ny antoko izay tohanany ka noho ny tahotra dia tsy maintsy manatanteraka ny baiko izy ireo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny fokontany iray tafaresaka taminay izay tsy azo lazaina ny fokontany izay tantaniny dia nilaza izy fa ampiasaina izy ireo mandritra ny fotoam-pifidianana mba handaniana ireo kandida ireo. Hatreto aloha dia tsy mbola sahy mitaraina izy ireo manoloana ity tery vay manta mahazo azy ireo ity fa ny fanehoan-kevitra amin’ny haino aman-jery sisa no mba azon’izy ireo atao. Na dia miezaka manohitra ny fanerena aza ny sasany dia tsy afa-manoatra raha mbola te hitantana ny fokontany sitrany mba misy fidiram-bola miditra na dia tsy ampy aza izany. Ahitana io fanerena hifidy ny kandidan’ny antoko HVM io koa ny eny ambanivohitra rehetra, indrindra ny hampahafantarana ny sarin’ny antoko. Misy aza ireo mpikambana amin’ity antoko ity no efa manao propangandy mialoha ny fotoana mba hisarihana ny sain’ny mpifidy any ambanivohitra.

 

Tolin

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT