Herinandro taorian’ny nametrahana ny Pds vaovao Tia Solomanga Heriniaina na i Daddy izay mitantana ny kaominina ambonivohitra Mahajanga I dia efa maro sahady ireo fanakianana azony eo amin’ny fanatanterahana ireo tetikasan’ny fitondram-panjakana efa natao sy
natomboka toy ny fanadiovana an’ i Mahajanga sy ny fanamboarana ny lalana eny amin’ ny village touristique. Misy ny trakta miely ao Mahajanga mikasika ny fanakianana io Pds io amin’ny fanatanterahana ny tetikasa amin’ny fampandrosoana ataony ny tanàna. Tsy laharam-pahamehana ny fanaovana ireo tetikasa fa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ao amin’ny kaominina no tokony hatao vaindohan-draharaha no voarakitra ao. Voasoratra ao hatrany fa tsy ampy ny roa taona fanasaziana an-tranomaizina an’ny Psd teo aloha Ndeha Sylvain. Tsy io Pds vaovao io ihany anefa no voakiana ao anatin’io trakta io fa ireo mpitondra rehetra mihitsy izay tsy mahalala ny asa tokony hataony. Tsy naheno valiny ireo mpitondra voatonona ao anatin’io trakta io, indrindra ny Pds.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.