Tsy misy tanteraka na dia iray aza ireo fampanantenana nataon’ireo solombavambahoaka roa avy amin’ny antoko MAPAR sy HVM izay lany tao Mahajanga I nandritra ny fampielezan-kevitr’izy ireo.
Ny sehatra ara-tsosialy no tena maro tamin’ireo toy ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Takian’ny vahoaka ireo zavatra nolazain’ireo solombavabahoaka roa ireo ankehitriny. Ny resaka delestazy dia anisan’ireo napanantenain’ny depiote ny Mapar ny hanafoanana azy io. Vao mainka nitombo isan’andro anefa ny fahapatahana ny herinaratra. Ny depioten’ny HVM kosa dia nilaza fa omen’ny fitondrana fat ny vahoaka ao Mahajanga ny fiara nampiasain’ny solombavambahoaka izay omen’ny fanjakana azy ireo kanefa tsy hita io fiara nolazainy io mandrakandroany. Mila mahay misafidy tsara ny rehetra rehefa vanim-potoan’ny fifidianana satria dia mety olona hihinam-bola no ho lany eo ka handiso fanantenana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.