Tsikaritra amin’izao fotoana fa ireo kandida avy amin’ny antoko HVM ao Mahajanga dia efa mihetsiketsika manao propagandy mialoha ny fotoana.
Porofo iray amin’izany ny fanaovana hetsika fanampiana isam-pokontany sy ny fiantsoana sahady ny maha ben’ny tanàna azy ireo amin’ny toerana izay alehany na dia tsy mbola fantatra na ho lany na tsia. Maro ireo olona gaga amin’ity tranga ity ary efa misy milaza fa efa vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra ve izao ? Hita koa fa isaky ny hetsika atao dia tsy maintsy voatonona hatrany izay ho kandida ka nanohana ny hetsika. Tsy ny demokrasia ihany no tsy voahaja tamin’ity fitondrana ity fa ny tetiandron’ny fifidianana koa. Velom-panontaniana ihany ny mpanara-baovao hoe : fa efa fanaon’ity repoblika fahefatra ity mihitsy ve ny manao kitoatoa ny raharaham-pirenena e ?
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.