Ara-dalŕna avokoa ny antontan-taratasin’ilay tompon-tany izay nividy tany tamin’ilay tompony nivarotra azy tamin’Atoa Guy ilay mpandraharaha nahazo ny tany tamin’ny taona 2011. Taty aoriana anefa dia namidin’ny tompony koa ny tany izay efa lafo ka ny depiote avy amin’ny vondrona Mapar lany tao Mahajanga II no nividy azy ny taona 2010. Efa nisoratra tamin’ingahy Guy avokoa ny tany rehetra tamin’ny fotoana nahazoany io tany ao Antanimalandy Sotema Mahajanga io raha mbola eo am-pikarakarana kosa ingahy solombavambahoaka. Nampanofain’ilay mpandraharaha ny tany nandritra ny taona maro ary efa saika nananganana trano mihitsy.
Ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasin’ilay tompon-tany izay nividy tany tamin’ilay tompony nivarotra azy tamin’Atoa Guy ilay mpandraharaha nahazo ny tany tamin’ny taona 2011. Taty aoriana anefa dia namidin’ny tompony koa ny tany izay efa lafo ka ny depiote avy amin’ny vondrona Mapar lany tao Mahajanga II no nividy azy ny taona 2010. Efa nisoratra tamin’ingahy Guy avokoa ny tany rehetra tamin’ny fotoana nahazoany io tany ao Antanimalandy Sotema Mahajanga io raha mbola eo am-pikarakarana kosa ingahy solombavambahoaka. Nampanofain’ilay mpandraharaha ny tany nandritra ny taona maro ary efa saika nananganana trano mihitsy.
Taratasy mampisalasala
Raha nandre izany anefa io depiote io dia taitra ka nidina nijery ny zava-nisy. Nilaza ity farany fa taniny io ary nentiny ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany izay mampisalasala. Tsy nanaiky ilay mpandraharaha ka raikitra ny ady teo amin’ny roa tonta. Ny alin’ny zoma teo dia nidina tany amin’ny toerana nisy ny tany ilay solombavambahoaka niaraka tamin’ny vadintany mba hampiditra ny mpiambina azy ao amin’io toerana io raha mbola tao avokoa ny mpiambin’ilay mpandraharaha. Voaporofo avy amin’ny fitsarana anefa fa ity mpandraharaha ity no misoratra ao anatin’ny taratasin’io tany io taorian’ny fotoana nividianany azy. Raikitra ny fifamaliana izay niafara tamin’ny eson-teny sy fanambaniana maro samihafa nataon’io depiote io tamin’ilay mpandraharaha. Etsy an-kilany, efa niditra an-keriny tao amin’io toerana io ireo mpomba an’ity solombavambahoaka Mapar ity ary nandrahona ireo mpiambina tao, hoy ny fanazavan’izy ireo. Nametraka ny fitoriana teny amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ilay mpandraharaha manoloana ny toetra tsy mendrika io. Nakaton’ilay depiote avokoa ny varavarana miditra ao anatin’io toerana io satria dia efa azy, hono, ny tany. Maro no milaza teo amin’ny manodidina fa efa fanaon’ity depiote ity ny mibodo fananan’olona tahaka izao ka tsy hamelany raha tsy azony izay tadiaviny. Nilaza koa anefa ilay mpandraharaha fa tsy misy hanaiky izany eo fa manao antso avo amin’ny mpitondra izy mba hijery akaiky ny fakana an-keriny ny fananan’olona tahaka izao.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.