Politique

Mahafaly Solondrasana Olivier Midanadana ho azy ny fonja ?


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Fotoana sisa isaina dia azo antoka fa handao tanteraka ny sezany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay efa hatry ny ela no naha be resaka ny tokony nanalana azy, saingy voahazona teo ihany.

 Mazava ny zava-misy fa tsy ho praiminisitra intsony izy taorian’ny didin’ny HCC, mitaky ny handravana ny governemanta ao anatin’ny 7 andro nanomboka ny zoma takariva teo. Malaza ankehitriny, efa midanadana ho azy ny varavaran’ny fonja noho ny resaka kolikoly mahasaringotra azy. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa nangatahan’ny depioten’ny  fanovana ny hanaovana fanadihadiana azy noho ny raharaha kolikoly mahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy, kanefa izy tsy mba voasaringotra. Izy anefa no minisitry ny atitany, tompon’andraikitra farany amin’ny resaka fanapahan-kevitra ao anatin’izany. Niainga avy tao amin’io minisitera io ny volabe voahodinkodina, ary tsy afaka ny nanao izany i Claudine Razaimamonjy raha tsy nisy tompon’andraikitra ambony niray tendro taminy. Rehefa tsy hita izay valin’ny fangatahan’ny depioten’ny fanovana, dia nitohy tamin’ny alalan’ny fitoriana teny amin’ny tribonaly izy.  Inona no mety ho valiny ? Maro kosa no mihevitra fa mety hidoboka am-ponja ity praiminisitra ity ato ho ato noho ny resaka kolikoly. Tsy ho eo am-pelatanana intsony rahateo ny fahefana mety hahafahana hanao tsindry isan-karazany. Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa efa nitory azy tamin’ny resaka kolikoly ihany koa ny Dinika Fanavotam-Pirenena na ny DFP, notarihin-dry Maharavo Tolojanahary, saingy tsy nisy akony na kely monja aza ny fitoriana. Niteraka resabe vao tsy ela moa ny ny fahaverezana volabe tao an-tranony, saingy nolaviny mafy izany. Taoriana kely anefa, dia nivoaka ny vaovao fa olona 6 no nidoboka am-ponja tamina halatra volabe tao aminy, ka maro no manasokajy azy ho olona tranon-dainga sy tsy azo itokisana. Mbola ho afa-bela ve ity praiminisitra izay nambaran’ny depiote Tinoka Roberto ihany koa fa nahavidy villa miisa 5 tsy mazava ity na tsy ho eo amin’ny toerany intsony aza ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT