Politique

Mahafaly Solonandrasana Mitohy ny kobaka am-bava


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Tsy hita mazava hatreto izay tena fototry ny vinam-piarahamonin’ny kandida ho filoham-pirenena, Mahafaly Solonandrasana Olivier Jocelin, praiminisitra teo aloha fa tsy miova amin’ny fomba firesany hatramin’izay ihany.

Tsaroana ilay hoe “ Tazomy amin’ny vavako aho fa tsy maintsy azontsika ireo jiolahin-tsambo”. Inona akory anefa no teo ? Mbola kobaka mitohy ihany no heno raha nanao fitetezam-paritra tao Antsohihy, izay renivohitry ny faritr’i Sofia, ny faran’ny herinandro teo ity kandida ity. Toy ireny tsy niteny ireny ny tenany raha nanambara ny filatsahan-kofidiana tao amin’ny Le louvre Antaninarenina ny 21 aogositra teo hoe “Tsy ny pejy intsony no mila avadika fa ny boky mihitsy no mila ovaina.” Hanova boky ve dia mbola politikana filoham-pirenena teo aloha tany amin’ny taona 1958 no lazaina fa hodimbiasana ? Fa an’iza moa izany politikan’ny kibo sy hoe “Asa fa tsy kabary.” izany raha tsy an’ny filoha Philibert Tsiranana sy ny antoko PSD, izay antoko manana kandida hifaninana aminy ankehitriny ihany ? Na ilay kandida natolotry ny antoko nipoiran’ity vina kasainy hodimbiasina ity aza nilaza fa hampifanaraka ny politikan’ny kibo amin’ny zava-misy mifanaraka amin’ny toetrandro fa tsy ho “mpandimby” fotsiny tahaka ity kandida milaza azy ho solon’ny “ Rain’ny demokrasia” ity.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT