Hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety anio alatsinainy maraina amin’ny 7 ora sy fahefany eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, aorian’ny fananganan-tsaina ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Re fa nihaona tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izy omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro. Tsy nisy resaka be fa manimanitra fifanaovam-belona ilay fihaonana. Raha ny resaka hatry ny halina dia tonga ny fotoana hanambaran’ny praiminisitra ny fametraham-pialany mba hahafahana miroso amin’ny dingana manaraka ho fandaminana ny krizy politika eto Madagasikara. Izy rahateo nandritra ny fametrahana ny vato fehizoro fanamboarana ny tsena teny Ivato ny faramparan’ny herinandro teo dia efa nanambara fa afaka miala am-pilaminana sy am-pitiavana rehefa mazava ny kipitsopitsony fanajana ny lalàmpanorenana. Azo antoka fa efa nampitain’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ingahy praiminisitra ny lalana tsy maintsy izorana. Tsy amin’ny toerana afaka mandon-databatra intsony mantsy ny fitondrana HVM fa tsy maintsy manaraka ny fandaminana sy ny fitakiana. Re ihany koa fa mialoha izao fihaonana omaly izao dia efa nihaona teny Iavoloha ihany koa ny sabotsy alina ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ary nanatrika an’io fihaonana io ny solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia ny masoivoho Frantsay, ny solontena maharitry ny firenena mikambana ary ny avy ao amin’ny vondrona Eoropeanina, izay samy resy lahatra amin’ny fikarohana marimaritra iraisana eo amin’ireo mpifanandrina politika mba handaminana ny krizy sy hirosoana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary hahafahan’ny rehetra mandray anjara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.