Tamin`ny naha praiministra an`i Mahafaly Solonandrasana Olivier dia nanangana ny « gouvernement de combat ».
Tsy natao hoe hiady amin`ny inona na iza akory fa nametraka drafitra ahitana tanjona ho an`ny minisitera tsirairay. Nifanohitra tamin`izany no zava-nisy ary “Gouvernement de dégât” no nitantana ny firenena satria tsy nahavita nampilamina ny tany. Novoizin`ny governemantany ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana saingy nikaikaika daholo ny rehetra manerana an`i Madagasikara. Tsy misy fampandrosoana mahomby raha tsy miaina ao anatin`ny filaminana ny vahoaka. Miteny ho azy rahateo ny tarehimarika navoakan`ny zandarimariam-pirenena tamin`ny volana jona lasa teo. Tao anatin`ny dimy taona izay, mahatratra 4.000 ny isan`ny olona maty vokatry ny tsy fandriampahalemana izay ahitana olon-tsotra, dahalo, jiolahy ary mpitandro ny filaminana. Marihina fa nandritra ireo governemanta nifanesy izay notarihan`ity praiminisitra teo aloha ity no tena nampirongatra ny fanafihana mitam-basy, ny fitsaram-bahoaka, ny fakana an-keriny… Tsy nisy ihany koa ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka, ny famoronan’asa, ny ady amin`ny kolikoly sy ny trafika harena voajanahary. Etikety tsy afa-miala amin`i Mahafaly Olivier ihany koa ny “kolikoly avo lenta”. Raharaha iray mbola miteraka resabe kanefa niezahana natao toy ny tsy misy ireo fanodinkodinana volam-bahoaka sy ny tsenambaro-panjakana izay nahavoasaringotra ilay mpandraharaha mpanolotsain’ny filoham-pirenena Claudine Razaimamonjy ary mahavoatonontonona ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Olivier. Ity farany koa dia tsy afa-bela amin’ny fanomezana tsenam-panjakana sy ny fanorenana na fanamboarana fotodrafitrasa toy ny sekoly, biraon’ny kaominina… Hatramin’ny Radio France Internationale (RFI) dia namoaka ny vaovao ary nilaza fa tafiditra ao anatina raharaha avo lenta ny praiminisitra Malagasy. Tsy mahagaga raha vonona hisedra safidim-bahoaka Atoa Mahafaly Olivier mety hanadiovan-tena. Manan-javatra afenina angamba ingahy praiminisitra matoa vonona hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ? Mipetraka ihany koa ny fanontaniana : avy aiza ny loharanombolan`ity praiminisitra teo aloha ity ? Fa dia tombontsoa toy inona loatra no azo rehefa eo amin`ny fitondrana ? Tsy azo inoana hoe tsy mahafantatra ny afera nahavoatonontonona matetika an’ity praiminisitra ity ihany koa ny kandida filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.