Politique

Mahafaly Olivier Hamalifaty an-dRajao ?


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Na dia nanambara ny praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Olivier fa “tsy ho mpanohitra izao fanjakana izao velively ny tenany”

 nialoha ny nanaterany ny taratasy filatsahan-kofidiny tetsy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Ambohidahy dia sarotra no hinoana fa tsy hijoro fahavalo an`ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampiania ny tenany. Mpanatanteraka ny politika ankapoben’ny filoham-pirenena i Mahafaly Olivier ary izy no mandray izay heverina fa tokony hatao na tsia teto amin`ny firenena. Raha tsiahivina, efa im-betsaka no voatsipaka am-bavafo ity praiminisitra teo aloha ity. Saika hesorina raha nandeha nitsabo tena tany ivelany, norahonana tamin’ny “motion de censure”, niadivan’ireo tandapa, sasatry ny niaro tena samirery rehefa nosarangotin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy, nailikilika tsy nahita rirany nefa sasatry natao fitaovana namono afo tsy hionganan’ny fitondrana HVM … Toa miendrika valifaty no andraisana izao firotsahany hifaninana amin`i Hery Rajaonarimampiania izao. Mahakasika ny fiatrehana fifidianana indray, dia mipetraka eto ny fanontaniana : hampiasa ireo olom-panjakana notendreny fony izy lehiben`ny governemanta ve ny tenany ? Tsara no manamarika fa maro ireo sefo distrika, prefè napetrak`ity kandidà ity nandritra ny naha-praiministra azy.  Izy rahateo efa minisitry ny Atitany ary manana traikefa momba ny tontolon`ny fifidianana. Izany indrindra no antony nitazonana azy teo amin`ny toerany amin`ny maha-praiministra azy mba hisompatra sy hisakana hatramin`ny farany ny firotsahan`ireo kandidà natahoran`ny HVM tamin`ny fifidianana. Ny fikambanana Orimbato no nanosika azy hirotsaka ho filoham-pirenena fa tsy kandidàn`ny antoko politika. Maro tokoa mantsy ireo mersenera politika mitady hialokaloka ao amin`ity fikambanana ity amin`izao fotoana. Tsy vitsy koa ireo mpanao politika midinika miaraka amin`ity praiministra teo aloha ity raha ny fantatra.  Ahiana indray izany fa hanome vahana kolikoly sady toa miendrika tsy fananana fototra politika ka ho diso paika toy ny antoko HVM izay tsy manana izany fototra politika izany. Antenaina fa hafana ihany koa ny fampielezan-kevitra amin`ity taona ity ary mety ho tonga hatramin`ny famoahana dosie indray.

Marigny A./ Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT