Ny any ivelany aza antsoinareo fanjakana hamonjy ny traboina, hoy Rtoa mpitarika ny Reny Diamondra tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, nefa misy Malagasy mahavita kokoa ary manana traikefa dia Ravalomanana izany ka amin’ny maha reny anay no itenenanay anareo fanjakana hoe vahao ny fatotra mangeja azy. Ny FFKM no fiangonana zokiny indrindra ary afaka miditra mitondra ary efa nitondra hevitra ny fiangonana zandriny, hoy Rtoa Berthine. Aoka hazava fa ny vahoaka ankehitriny no mila an-dRavalomanana mitondra ary amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no angalana fitondrana. Nohamafisin’i Guy Roger fa efa nalaina avokoa ny hevitry ny fiangonana zandriny. Mampametra-panontaniana ilay tany tan-dalàna, hoy izy, satria matahotra ny ainy sy ny fananany ny vahoaka. Ny fifehezan’ny kaontin-dRavalomanana dia porofo iray ilazana fa tsy tany tan-dalàna i Madagasikara satria tsy mitovy zo ny rehetra ary tsapa fa ny vahiny no afaka mandraharaha kokoa noho ny teratany Malagasy nefa eto Madagasikara ary porofo iray hafa ny fitokonan’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny fitsarana. Maro ny fifanarahana vita an-taratasy sy sonia fa mbola mari-bola ihany satria misy andrasan’ny iraisam-pirenena amin’ny fitondrana ary hitany koa fa marefo ilay fitondrana. Tsy tiany ihany koa ny fametrahan’ny famonjenan’ny traboina lasa misy loko politika ary antokon’ny fitondrana HVM no manao izany. Ary efa mazava ny finirian’ny Iraisam-pirenena : fiaraha-miasa eo amin-dRavalomanana sy ny fitondrana.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.