Vahao ny kaontim-bolan’i Dada nogiazana nidina any amin’ny banky ahafahany mijery sy manampy mivantana an’ireo vahoaka traboina manerana ny Nosy, hoy Rtoa Brenda avy any Ambatondrazaka ny sabotsy teo tetsy amin’ny Magro Behoririka, dia avela izy halalaka ara-batana koa
hitsidika sy hifaneresera mivantana amin’ireo vahoaka mitaraina amin’ny fahoriana sady mitady fanavotana avy aminy ireo. Ary isika eto an-kianja, hoy izy, aza misy mieritreritra ny hanavakavaka sy hanilikilika olona izany fa fitambarana sy firaisankina izao no ilaina. Matoa ny ankolafy Zafy Albert manana solontena mikabary eto an-kianja dia tsy avy amin’ny nahimpon’ny tenany izany fa nahazo alalana amin’ny mpitarika ity ankolafy ity izy ireo. Nohamafisin’Atoa Jean Jacques solontenan’ny ankolafy Zafy Albert nikabary teo amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka tamin’io sabotsy 28 febroary 2015 io fa tsy miala amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena efa nimatimatesany hatrizay ny prezida Zafy Albert sy ny ankolafiny tarihany ary tsy miala amin’ny dinika amin’izany mihitsy fa misy fandaminana tadiaviny ao anatiny ao, tsy hoe ny tombontsoany manokana fa tombontsoan’ny vahoaka manontolo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.