janoary nifanindry tamin’ny famoahana ny anaran’ireo mpikambana amin’ny governemanta vao nahazo alalana hihaona tamin’ny mpiaradia aminy i Marc Ravalomanana, hoy ny Depiote Horace tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Nilaza
Ny 25tamin’izany ny prezidà Ravalomanana, hoy izy, fa tsy dia miraika loatra amin’ny governemanta nitsanagana fa aleo handeha amin’io fa ny mahamaika ahy dia ny traboina sy mahantra ka izay no anton’ilay fanomezana vary 18 taonina ary hafaliana ny azy raha nampiseho azy ny vahoaka tamin’ny sabotsy teto an-kianja. Momba ilay hoe rava ny ankolafy Ravalomanana dia tsy ravana fa izaho efa eto an-toerana dia raisiko ary mety hiova anarana dia afaka miditra ao avokoa. Lany nisy fikasihana ny lalàna valo teny Tsimbazaza dia manaja lalàna isika, mampihatra izany na nisy tsy nofidina aza fa hifankahita ny mpandany lalàna sy ny tsy nandany izany amin’ny fifidianana hoe iza no ho mpandresy. Hosokafan-dRavalomanana ho an’ny rehetra izany ny ankolafiny, hidiran’ny mitovy hevitra aminy dia miroso amin’ny fifidianana, hoy Rarison Hilarion. Ry zareo nifidy ny lalàna fa isika mifidy ben’ny tanàna ary ho azontsika ny 80%. Mety amin’ny minisitry ny mponina vaovao mihitsy ny toerany satria izay nandalo teo aminy dia voakiana avokoa ka ho hita eo izy raha voromanga tokoa na ahoana ! Tsy misy mampatahotra, hoy i Mamisoa avy any Ambatolampy, satria ny olona mitarika ny ankolafy no miova fa horaisin’ny tompony ny fitantanana azy. Ho lavaka kokoa ny lalana, hoy izy, ary mety ho tapaka mihitsy satria naverina ilay tsy mahavita. Rehefa tsara ny fiainam-bahoaka dia misy ho azy ny fandriampahalemana. Mivangogo eto Antananarivo ny asa sosiasy miaraka amin’ny fampahafantarana ny HVM, hoy Rtoa Brenda avy any Ambatondrazaka nefa mila asa sosialy koa ny any amin’ny Faritra. Tsy misy fandrosoana izany eto, hoy izy, raha mbola misy hatrany ny teritery.
RHR/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.