Rehefa tsy avela hivavaka eny amin’ny Fjkm Faravohitra sy eny Merinkasinina ny prezidà Marc Ravalomanana, hoy Ralaimampisainarinony Manoela, dia hataonareo any amin’ny fiangonana hafa izy hivavaka
. Izy koa anefa afaka manafatra pasitera na maompera manokana hiaraka hivavaka aminy eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra. Tsy avela hanjaka eto amintsika ny devoly. Samy mpino kristianina FJKM avy eny Avaradrano ve ianareo mirahalahy dia hifanao ohatr’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina ? Mbola hasehontsika amin’izao tontolo izao, hoy izy, fa mbola miaraka amin’i Dada isika. Raha ny resaka fizarana ho enina an’Antananarivo dia ambarako fa tena mandika ny lalàmpanorenana izany, hoy i Manoela, ka miantso ny filoham-pirenena ny tenako hoe : foano io mba hiakatra ny lanjanao. Lazaiko tsy ampihambahambana fa tsy zakan’ny Frantsay ny olona eto Antananarivo hitondra ny firenena. Isika efa vonona amin’ny fifidianana, hoy i Hilarion Rarison, satria manomana handray fahefana. Araka ny vaovao marim-pototra nampitain’ny filohan’ny Tim dia isaky ny faritra dia hisy kandida ho ben’ny tanàna ny antsika ary vonona hamatsy vola azy ireo ny antoko rehefa tsy manome ny fanjakana. Manana olona mahay mifampiraharaha amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’izany isika. Ben’ny tanàna maherin’ny 1 000 no tsy maintsy halaina. Marihiko, hoy izy, fa tsy mijanona ity hetsika eto amin’ny Magro Behoririka ity raha tsy migadona eto i Dada. Koa raha hamita iraka vetivety hanotrona ny lanonana TIM any Toliara ny ankamaroanay mpitarika eto dia efa tonga eto an-toerana indray ny namana Zafilahy Stanislas hanohy ny fanentanana eto miaraka aminareo “Associations” rehetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.