Mitohy tsy an-kijanona ny hetsiky ny zanak’i Dada eny amin’ny Magro Behoririka. Misy hatrany fampitam-baovao sy ny fanazavan-kevitra
Omaly dia nampatsiahy tamin’ny lahateniny Ratsimbazafy Ignace fa fady ny fanonganam-panjakana, fa rehefa mahatsapa fa tsy mahavita azy sy tsy mahavaha olana intsony ny fitondrana dia tokony hiala am-pahendrena. Tsy mampaninona ahy na iza na iza no mitarika ny fampihavanana, hoy ihany izy ary amin’ny maha filoham-pirenena an’i Hery Rajaonarimampianina dia tompon’andraikitra feno izy hampihavana ny Malagasy. Fa nampahafantatra kosa Rasoamalala Odette Brenda fa misy pesta any Andilamena sy Amparafaravola amin’izao fotoana. Aoka mba hijery akaiky izany ny tompon’andraikitra, hoy izy fa tsy sanatria atao ankilabao ny faritra Alaotra Mangoro. Tsotra sady mazava kosa ny tenin’i Manoela : « tsy misy fokontany tsy misy fiangonana ka noho izany dia ny FFKM no voasolotena manerana ny nosy, koa rariny raha izy no mitarika ny fampihavanana. Rehefa ny miresaka no mety dia mifampiresaka fa tsy ekena ny sakantsakana ary aza atosika hanao ny tsy fanao ny vahoaka satria ny fitakiana tsy niova 6 taona lasa ary tsy hisy hiala maina izany eto raha hiditra amin’ny fitsarana. Tsy azo atsahatra ny magro, ho takalon’ny fodian’i Dada an-trano satria efa betsaka ny fitaka ary tsy tafavoaka i Hery Rajaonarimampianina raha tsy mifanaraka amin’i Marc Ravalomanana raha hampandroso ny firenena tokoa ny tanjona”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.