Politique

Magro Behoririka “Spécialiste” toa an’i Marc Ravalomanana no ilain’ny firenena


  • Alakamisy 18 Desambra 2014

Na inona na inona kabarin’ny filoha mpitondra, raha tsy afaka malalaka sy tonga any an-tranony i Marc Ravalomanana

, mariky ny fampihavanana, dia hiditra amin’ny taona faha-7 tsy nahazoana famatsiam-bola i Madagasikara, hoy i Sazalahy Tsianihy tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Raha mba ny mpitondra ihany moa no voasazy tsy olana fa ity izy miantraika amin’ny mpiara-belona no tsy laitra.

Betsaka  ny resaka manodidina an’i Nosy Be, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy an-kilan’izay ary hita amin’ny resany ny toe-tsain’ny tsirairay. Lalina ilay tonga miaraka ny fanombohana ary miasa miaraka no fahombiazana. Tsy fampihavanana ny fihaonana vetivety na hoe vao mihaona dia manga ny lanitra fa fanombohana ihany izany ary tsy eo amin-dRavalomanana ihany satria raha ny tenin’ny filoha  Hery Rajaonarimampianina dia hoe tsy tombontsoan’ny olona roa fa ho an’ny vahoaka 22 tapitrisa sy firenena. Misy ho very tombontsoa amin’ny fampihavanana ka mandrirotra amin’ny lafiny ratsy ny fihaonana tany Nosy Be. Ny volana desambra no volana kristianina indrindra ka miandry fanomezana krismasy sy taom-baovao isika. “Spécialiste” toa an’i Marc Ravalomanana  no ilain’ny firenena dia akaiky ny tara-pahazavana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT