Politique

Magro Behoririka Ny tsy manao ihany no be vava amin’ny fampihavanam-pirenena


  • Zoma 06 Martsa 2015

Lasa nanatrika ny fampihavanam-pirenena rezionaly ny namana ka ialan-tsiny raha izaho irery no miakatra mikabary eto, hoy Randriamamiarizafy Ignace omaly alakamisy 5 martsa tetsy amin’ny Magro Behoririka. Tsy maintsy misy foana ny mpanakiana amin’ny ‘phoning sy amin’ny endrika samihafa ary ny tsy manao ihany no be vava indrindra, tsy iza izany fa ny zanaka Mapar, izay milaza fa dongin’ny FJKM amin’ny

alalan’ny filohan’ny FFKM ankehitriny Lala Rasendrahasina ny fitarihana ny fampihavanana ho tombontsoan-dRavalomanana nefa ny soso-kevitra dia fiainana ankapobeny no angatahana haroson’ny mpizaika rehetra. Rehefa tsy mahazaka “indemnisation” dia tsy tokony hanapotika fananan’ny hafa tamin’ny fanonganam-panjakana fa ny fampihavanana tsy maintsy atao, ny FFM no tsy nanao ny asany efa ela. Eto an-drenivohitra ihany ny zanaka Mapar sy ny olon’i Zafy no tsy mandray anjara amin’ny fampihavanana fa any amin’ny faritra dia ao anatiny tsara izy ireo ary ny iriana rehefa vita ny fampihavanana dia tokony ho maty ny artikla kitoatoa ao anatin’ny lalampanorenana.  Koa ny hiangaviako  dia ny tokony hanalana ao anatin’io lalàmpanorenena io  ny hoe 35 taona dia afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ary ny andininy faha-54.

RHR/Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT