Hisy, hono, ny convention 14 oktobra hanasana ny miaramila, société civile ary ny antoko politika fa tsy ankolafy, hoy Ignace Moramanga. Ny antony dia hametrahana governemanta fampihavanam-pirenena sy hialana amin’ny krizy. Tsy misy ny vola ary ny ananana aza mbola ariana.
Nosafidiana ny 14 oktobra mba hitovy daty amin’ny Repoblika voalohany ka tiana halaza. Aleon’ny fanjakana manao zavatra hafa foana toy izay hanatanteraka ny tondrozotra ary manao izay ho afany rehetra mihitsy izy mba tsy hanaovana an’io tondrozotra io, hafoiny hatramin’ny vola fanampiana. Mampitandrina ny antoko politika ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana manan-kevitra hiatrika ny 14 oktobra izany isika, hoy i Manoela Boriborintany faha-5, fa ho alam-bahoaka izy. Ny manilika ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina no mety fa mpandainga loatra ary tsy to teny ka lasa tsy misy mihaino any ivelany, mila miala eto Madagasikara I Goldblatt. Taperin’ny vahiny ny olona, ny tany ary ny harena. Aoka hazava fa ny naneken’ny iraisam-pirenena ny tondrozotra dia tsy ny ankolafy Zafy na Ratsiraka fa ny ankolafy Ravalomanana. Rehefa isika no mikiaka hoe tsy ekena dia tsy hanana hery io convention 14 oktobra io, hoy i Feno 2è, ary ny mpanao politika efa maimbo amin’ny vahoaka. Aza misy milefa ary rehefa mipoaka ny raharaha, hoy i Robertson Solamena Toamasina. Miandry izay ataon’ny olontsika anatin’ny fitondrana isika satria ireny no tenin’ny raiamandreny. Hiditra amin’ny convention 14 oktobra indray ny fitondrana, ho hita eo fa milalao afo izy ary ny tohiny no anaovana 2002 na fampihavanana. Ambony noho ny lalàmpanorenana ny tondrozotra, tsy maty ny tondrozotra raha tsy tanteraka, hoy i Zafilahy Stanislas.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.