Politique

Magro Behoririka Ny fiainany andavanandro izao no mahamaika ny Malagasy fa tsy ny OIF


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Ny manahirana ny Malagasy izao dia ny tranony, ny asany, ny tsy fandriampahalemana iainany, ny fiompiany lasan’ny dahalo, ny voliny simba nefa ny vola tsy am-pelatanana fa tsy izany fivorian’ny OIF izany, hoy Ralaimampisainarinony tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia 11 martsa 2015.

Tanteraka ny teny hoe hatramin’ny vato aza miteny ka tohizo ny asa ratsinareo mpitondra dia hiteny avokoa ny vato. Ho anareo eny Andohatapenaka nitoraka indrindra an-dRavalomanana niverina avy any Afrika Atsimo tamin’ny 2009, ny tany hipetrahanareo amin’izao ianareo traboina izao dia tanin’ny Tiko. Ravao ny lalàmpanorenana dia tsara fototra ny firenena. Izao no porofo fa mila fitsipika mafy ny Malagasy vao mandroso ary ity fitondrana ity no fitondra be fitokonana indrindra ary mampiasa fahefana avokoa izay manana na resaka amboteiazy aza. Olona efa vonona hanompo ny fireneny  Ravalomanana, hoy Rtoa Berthine,  ka omeo azy ny fahafahana. Tokony ho rafitra hafa no mitsara ny fifidianana fa tsy ny Ceni intsony. Misy ra latsaka foana eto Madagasikara, hoy i Guy Roger,  satria mila sorona ny franc-maconnerie. Mitambotsotra isan’andro ny fahafahana mividy satria miakatra hatrany ny vidin-javatra ary tsy voafehy ny fanjakana, ny zo sy ny demokrasia moa mihalavitra isan’andro na izany aza dia tsy maintsy mbola hiresaka sy hihaona amintsika an-kianja i Dada.

RHR/ Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT