Tsy nankasitrahan’ny mpitolona tetsy amin’ny Magro Behoririka ny hevitry ny vahoakan’Ambohimanarina notaterin’ny depiote voafidy teny an-toerana, Rasoanoromalala Horace, ny amin’ny hetahetan’izy ireo hanana ben’ny tanŕna mahaleotena tsy mila “président de communauté” izany. Voahoraka, araka izany, ity solombavambahoaka ity.
Fehezo haingana fa hanahirana ny toe-draharaha ankehitriny ry fitondrana, hoy Ralaiamampisainarinony Manoela. Oviana teto Madagasikara no nisy mpiasam-panjakana voatery mividy stylo sy taratasy hiasana ? Nahazo Notam ny Frantsay ka misaotra ny mpiasan’ny Airmad. Manova fomba fiteny indray Ingahy Voninahitsy ankehitriny fa mpanolotsain’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy i Zafilahy Stanilas, ka nampanaovina iraka haka ny fon’ny iraisam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy. Ilaina indray, hoy izy, ny fodian-dRavalomanana fa ny fampihavanana tsy vita haingana. Mila ampiana tosika ny fampihavanana mba hahitan’ny mpianatra ny soa. Antananarivo no hitarika ny hetsika amin’ny sabotsy izao. Fa mbola hikatona foana ny hoavin’i Madagasikara raha mbola any ivelany ny lakile, hoy Rtoa Brenda avy any Alaotra Mangoro, aza sodoka amin’ny manodidina anao ianao Atoa filoha fa ny tombontsoam-bahoaka hatao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.