Politique

Magro Behoririka Nifoha tamin’ny torimasony ny zokiolona


  • Talata 09 Septambra 2014

Misaotra anareo CT sy CST teo aloha nanafana ny kianja hatramin’izay ary mbola miasa amin’ny fampodiana an’i Dada Ravalomanana. Sanatria aza raisina ho vatolampy tsy miteny izahay zokiolona ka andihizan’ny vorona.

Fa ohatra tamin’ny asanay ny fanaterana taratasy tamin’ny masoivoho amerikanina ny 04 Aogositra lasa teo ka noraisin’ny mpiraki-draharaha amerikanina ary nilazany fa amin’ny 12 ora izao dia efa tonga any Amerika ny taratasinareo ary nampahery anay zokiolona sy ny vahoaka Malagasy. Nomena copie ihany koa ny ONU amin’ny alalan-dRtoa Samoura ary teo koa ny masoivoho Afrikanina tatsimo sy ny Sadc ka tonga nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana i Eric Wong ary voakomondry tany amin’ny Sadc ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsy manana kajy hafa ny gadra politika fa ilay efa hay tsianjery, hoy i Albert. Tsy misy valaka tamin’ny fitondran’i Farao tany Egypta ny ataon’ny mpitondra ankehitriny ka hahita loza rehefa manamafy fo, ho “copier coller”, hoy i Sazalahy Tsianihy. Ho henjana ny raharaha, hoy ny mpandraharaha raha izao no mitohy. Taratasy no voasonia fa ny lelavola tsy nivoaka ary fantatr’izao tontolo izao ny lanjan’ny sonia. Rehefa tsy tiana hitabataba intsony, hoy i Eric Antsohihy,  dia sokafy ny haino aman-jery satria kianja no haino aman-jery. Ravalomanana tonga an-tanindrazana koa vao miala ny kianja izahay. Ny 80%-n’ny tanàn-dehibe no voan’ny delestagy. Tsy mahatoky tena ny filoha Hery ka be ahiahy. Mangigina ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy i Zafilahy Stanislas,  tsy hay raha eto an-toerana na any ivelany. Ampahatsiahivina ianao Atoa filoha fa efa dila indray izao ny 100 andro faharoa. Tokony hiakatra haino amanjery indray ianao satria maro ny zava-nitranga tsy nohazavaina tao anatin’ny 100 andro faharoa. Vao nipetraka i Kolo Roger dia nilaza fa hikolokolo ny zaza Malagasy ary hetsika goavana amina miliara no natao, hetsika famerenana zaza an-tsekoly, ny fanontaniana voalohany dia ny hoe iza no nandroaka ny ankizy an-tsekoly ? Ary faharoa inona no antony ? Ny lova tsara indrindra mantsy dia ny fianarana sy fampianarana zaza ary azo entina n’aiza n’aiza. Mbola hisy hiala an-daharana indray anefa amin’ity taom-pianarana 2014-15 ity satria ny asa ho an’ny ray aman-dreny tsy misy ary ny sakafo aza sarotra ny mahita azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT