Politique

Magro Behoririka Nambenan’ny herim-pamoretana indray


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Tonga nihaodihaody ary niambina ny manodidiana ny kianjan’i Magro Behoririka indray omaly ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmoreg nahitana fiara tsy mataho-dalana miasa an-drenivohitra maromaro ary kamio lehibe vitsivitsy samy feno miaramila sy zandary mirongo fitaovam-piadiana avokoa.

Azo antoka fa fatahorana ny hivoahan’ny mpitolona hilahatra an-dalambe hanohitra ny fakana an-keriny ny filoha Marc Ravalomanana efa nandrasana hatramin’ny taona 2009 no nahatonga izao fihetsika izao izay midika ho fampitahorana sy famoretana an-kolaka ny vahoaka mitaky ny rariny sy ny hitsiny am-pitoniana. Tsy nihemotra tamin’izany anefa ny mpitolona tetsy amin’ny kianjan’ny finoana fa dia tonga nameno ny toerana tokoa , indrindra ireo renim-pianakaviana mahatsiaro ho voatohina mafy amin’ny mahazo an’i Neny Ravalomanana sy ny mahazo azy ireo mivantana ihany koa noho ny nanjo an’i Dada. Miombom-po tanteraka amin’ny fianakaviana Marc Ravalomanana izahay, hoy ny feo nanakoako tetsy Behoririka omaly, ary tsy mitsahatra mivavaka manokana hifankahita tava sy hiaraka hiriaria finaritra indray amin’i Dada tsy ho ela.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT