Politique

Magro Behoririka Misaotra ry FFKM


  • Alatsinainy 22 Desambra 2014

Isaorana ny FFKM nanatontosa ny fihaonana teny Ivato omaly, hoy Ignace ankolafy Ravalomanana. Azo lazaina fa azonao ry Hery Rajaoanarimampianina ny anaram-boninahitra rain’ny fampihavanam-pirenena, ilaina koa ny “force éxécutoire” mba tsy ho taratasy ihany ny soratra tapaka satria nandray anjara mavitrika ny filoha Hery R,

raha tsy andro fiasana ny androany sy rahampitso dia mety efa an-trano ny gadra politika. Misy miketrika handrava io fampihavanana io fa isika tsy naman’ny mpamotika. Isaorana ny filoha Zafy, ray aman-dreny ny fampihavanana, hoy Rtoa Pilcop ankolafy Zafy Albert, nijoro tamin’ny heviny hatramin’ny farany ary faly izy nahita an-dRavalomanana an-tanindrazana, ravo  ny ankolafy Zafy ary misaotra an’Andrimanitra, izay marary kibo any, aleo harary hatrany fa isika mirana foana. Mba faly amin’izay isika, hoy i Marcel MFM fa kabary miova fo no atao. Mahery ny finoana, fandresena izao. Tafavoaka ny tolona ary dingana lehibe ny omaly. Marika ary taratra ny fodian-dRavalomanana an-trano ary tanteraka ilay FFKM mitarika. Fety sambatra no hantrehana ela ny ela. Rehefa mazava ny lalana dia hody ny mpitarika fa kosa tsy miaraka amin’ny mpanongana ny ankolafy Ravalomanana.  Betsaka ny fotoana very fa rehefa tonga ny filoha Ravalomanana dia tsy olana izany, efa namboarin’ny Tompo hanompo ny fireneny I Ravalomanana. Mba efa Malagasy no mampihaona, mampihavana ary eto an-toerana ka hihavana sy handroso amin’izany i Madagasikara. Maro ny kivy nandritra ny lalana 6 taona ary betsaka no nanakivy, hoy i Zafilahy Stanislas,  fa tanteraka ihany ilay sommet. Hita fa mitsinjo ny ho avy ny firenena ny FFKM ary tsy mampiady ny teniny. Tokony misaotra ny zanak’i Dada ny vahoaka Malagasy ary tsy niantso valifaty mihitsy isika. Tsy nisy helico niainga vita fihaonana ary efa nody ny voarohirohy momban’ny fodian-dRavalomanana ka misy antony izany. Tsy maintsy mivoaka ny rehetra rehefa vita ny taratasy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT