Mety tsara ny fampihavanana ka irariana mba hahavita izany ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy i Manoela tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Aza adinoina ny tangalamena, hoy izy, mbola misy Faritra eto Madagasikara manaiky tangalamena fa maro koa ny tsy manaiky intsony
N’iza n’iza na dia jentilisa aza dia manaiky fa ny filoham-piangonana ihany no mahavita ny fampihavanana, andrasana ny amin’ny 13 janoary ary mivavaka mba hilamina i Madagasikara. Na dia nasiaka aza ny toetran-dRavalomanana dia tsy niala taminy ny mpomba azy ary tsy nikorontana. Aleo hatrehana aloha ny zava-misy. Hafatra ho an’ny fitondrana : aza kitihina Ravalomanana ary avelao halalaka izy. Tongava maro indray ny alakamisy sy zoma ary enga anie mba ho tsara ny andro amin’ny sabotsy ary efa ho avy ny CT sy CST. Mila mailo ny mpitondra amin’ny sinoa be atao eto an-tanàna. Aleo ny Malagasy no hanao ny abattoir-ny fa tsy fantatra ny tambiny angatahan’ny sinoa eo. Nohamafisin’Atoa Henri Randrianjatovo fa vovonana iadin’ny lohany ny amin’ny 13 janoary ary angatahana fitahina amin’Andriamanitra mba ahafahan’ny prezidà manao izay irin’ny fony amin’ny vahoaka. Entanina ny “associations” mba handray ny andraikiny an-kianja sy fanentanana, mbola tsy tanteraka ny fanomezana ho an’ny prezidà Ravalomanana fa atao aminy sabotsy izao. Rehefa vita ny Asaramanitra amin’ny zoma dia afaka miakatra any Faravohitra isika. Ary ny sabotsy izao no fifampiharabaintsika, hitotorebika isika ary efa misy mpanakanto nohafarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.