Efa nahangona vola amana hetsiny isika eto amin’ny Magro tamin’ny sabotsy hividianana fanomezana ho an’ny prezidà Marc Ravalomanana”, hoy i Manoela tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, ary mbola mandray izay mbola te hanome. Tsy hanao an-tery izahay hoe avelao ho avy an-kianja i Marc
Ravalomanana fa mangataka aminao filoha Rajoanarimampianina mba hamela ny fianakaviny haka izany an-kianja amin’ny sabotsya. Misy miketrika fanankorontana any fa vita fety, hanokatra ny kianjan’Ambohijatovo sy fahatsiarovana ny 26 janoary 2009, hoe. “Mila fanomezan-tanana ny fitondrana, tsy afaka manome tanana raha tsy afaka mivezivezy sy miserasera”, hoy i Ignace avy any Moramanga. Manana traikefa amin’ny fanamboarana sy fananganana ny ankolafy Ravalomanana fa avelao halalaka ary tsy misy lonilony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.