Nitohy ny sabotsy teo ny hetsiky ny zanak’i Dada etsy amin’ny Magro Behoririka. Tamin’io ihany koa no fihaonana voalohan’ny mpitolona ao amin’ity kianja ity amin’izao taona vaovao 2015 izao, sady
niarahaban’izy ireo vahoaka Malagasy sy ny filoha Ravalomanana manokana sy nanolorana jaka ho azy amin’izao tonon-taona izao. Azo ny amboara, hoy Randriamamizafy Ignace, fa io Ravalomanana, nivoaka ny gadra politika ka ny mpitolona no mpandresy, mpitolona izay hery sy tsindry. Isaorana koa ny mpanao gazety na mitovy firehana na tsia, namoaka vaovao. Ny hafatra Andriamatoa filoha Ravalomanana, hoy Randriamamizafy Ignace, dia manina ny “tsara, mahasalama, vita Malagasy” ny vahoaka ka mba sokafy ny orinasanao ary mangataka ny mpitondra koa hanaiky izany. Nambaran’ny mpandray fitenenanana fa mitohy ny tolona eny amin’ny Magro satria mbola misy tsy tanteraka dia ny fahafahan-dRavalomanana tanteraka ary hatao ampitoniana hatrany izany ; ity taona 2015 ity rahateo dia natokan’ny Firenena Mikambana ho taonan’ny fandriampahalemana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.