Ho taona ny fampihavanana ny taona 2015 ho diavina, hoy Randriamamizafy Ignace tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo.
Eo ihany ny fampiresahana fa lalàna no nampiarina dia ny tondrozotra rehefa tsy nampiarin’ny mpanongam-panjakana ary ny fitondrana koa mitomany ho tan-dalàna, adidy sy andraikitry ny mpitondra no mampihatra izany ary izany no nanampin’ny FFKM ny fitondrana fa ny FFM kosa mandany volam-bahoaka ka mila ravana. Ho an’ny AV7, vakio ny lalàna fa ny manafika lapam-panjakana dia mampigadra mandrapahafaty ka nanota ianareo ary mbola velona nefa tsy nigadra ka tsimatimanota koa izany, miampy fandrobana sy fandoroana, nanota tamin’ny fiarahamonina ianareo ary betsaka no nanaota tsy nigadra, tsy voasambotra, rehefa misy nanodina ny tantara dia tsy maintsy averina foana ny marina rehefa tena hihavana. Ho avy hanampy eto magro i Ampanihy sy Toliara amin’ny janoary, hoy i Pilcoq ankolafy Zafy Albert. Aleo halalaka sy tsy misy arakaraka ny fanovana politika, hoy izy, ary mialohan’ny 13 janoary avokoa izany. Antananarivo no niavin’ny olana dia eto Antananarivo no hanaovana fampihavanana. Tsy maintsy mbola hanohana an-dRavalomanana i Ampanihy satria nahazo soa avy aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.