Politique

Magro Behoririka Izay enjehina ihany no mandresy


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Tsy misy andraso andraso intsony, hoy i Zafilahy Stanislas omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka, ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana.

Mbola taratra amin’ny haino aman-jery ihany ny ekipa niaraka tamin-dRajoelina ary tsy mahazoazo ny fodian’i Marc Ravalomanana mihitsy dia manodina resaka mamitaka ny mihaino sy mijery azy. Iarahana mahalala anefa fa lalana tokana ho an’ny firenena ny fodian-dRavalomanana ary ny mpitabataba dia ny olona voky tamin’ny tetezamita. Tsy maintsy misy ny tetika mitsangana manoloana ireny vaovao ireny, hanaporofoana fa mikorontana ny tany raha mody Ravalomanana dia hafototra aminy. Voakosoka ny ekipan-dRajoelina rehefa tonga i Marc Ravalomanana ka izay no mahatonga azy ireo misakana mafy ny fodiany, hoy harany izy. Ny enjehina ihany no mandresy, hoy i Sazalahy Stanislas. Voaporofo ara-tantara izany, manenjika rivotra ihany ny sasany fa ny fandresena dia ho an-dRavalomanana ihany. Efa any amin’ny fitsenana azy izao ny adihevitra, hampisehoana azy fa na dia 6 taona tany ivelany aza izy dia tsy niala taminy ny vahoaka malagasy ary fantatry Ramalagasy ny fahoriana iainany ary ny nampitondra azy an’izany. Soa fa mitoetra anatin’ny  filoha Ravalomanana ny fitiavana tanindrazana, hoy hatrany ny kabary teny amin’ny Magro omaly  fa na dia tsy mpitondra intsony aza izy dia tsy manadino ny vahoaka malagasy. Mahagaga, hoy i Manoela, fa  mbola misy mamadika hoe : mampatahotra ny tenin-dRavalomanana omaly.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT