Ataovy mialoha ny faha-12 desambra izao ny fampodiana an’i Marc Ravalomanana an-tranony sy famoahana ireo gadra politika sy haino aman-jery nakaton’ny tetezamita, hoy ireo mpandahateny toa an-dry Sandros, Justin ary Manoela teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly alakamisy 4 desambra 2014
. Mila misaina haingana ny mpitondra ankehitriny, hoy ny nanampian’i Sandros azy, fa faha-6 avy any amin’ny farany i Madagasikara nefa ny tany misy ny ilaina rehetra ary raha tsy miditra amin’ny fampihavanana aza dia vao mainka ho ratsy ny fandehan’ny raharaha ary ho farany eran-tany mihitsy ity firenena Malagasy ity. I Kaomoro aza milahatra aminy ankehitriny nefa resintsika lavitra be taloha. Tokony ho ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy Andry Rajoelina mihitsy no voalohany mihazakazaka amin’ny fampihavanana satria nampitondra takaitra ny firenena fatratra izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.