Politique

Magro Behoririka Herinaratry ny vahoaka mitsilopilopy izao no malaza


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Andron’ny zokiolona erantany omaly. Nilaza ny televiziona iray fa ny zokiolona no mameno ny kianja ato Behoririka.

Be tokoa izahay an-kianja, hoy ny solontenan’izy ireo nandray fitenenana, satria mafy taminay ny nahita na sombiny aza ny fananjanahantany ka tsy zakanay ny mahazo ny firenena ankehitriny ary tsy patriotes fa nationalistes ilay zandrikely nampirisihan’ny mpanjanaka ka manda ho an’ny tanàna ny zokiolona ka rehefa miketrika ny tanora tokony handini-tena tsara aloha. Noho ny zava-misy iainana eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity sy manerana ny Nosy mihitsy aza amin’ny fitombon’ny delestazy isan’andro dia nahazo fanalavana anarana vaovao avy amin’ny mpitolon’i Magro indray ny HVM ka nambara fa Herinaratry ny Vahoaka Mitsilopilopy indray izao no dikany. “Maro ny miahiahy fa nanohana aza isika tsy nahazo na inona na inona ka hanohitra indray ve ?”, hoy i Zafilahy Stanislas nanohy ny lahateniny. Sahirana kokoa ny sehatra iraisam-pirenena tamin-dRavalomanana nanohana ny fitondrana, hoy izy,  fa izao no ilaina amin’ny tany demokratika, miova ny “donnes politiques” ka arofanina i Marc Ravalomanana izao. Baomba maro no efa vonona hipoaka ary vaovao ny Sepama Nosy ka raha tsy mahay mamindra ny mpitondra dia hiala aina amin’ity oktobra ity ary tsy hijanona any amin’ny tompon’andraikitra avy fa ho tonga ambony rehefa mipoaka ny sosialy. Afaka manao 14 oktobra fa vao hafahafa dia baomba vaovao ho azy indray ka izay ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana te ho any dia afaka fa amin’ny anaran’ny tenany manokana.  Tojo olana ny vahoaka manontolo ka izay no mahamaika ny fodian-dRavalomanana, hoy ny depiote Horace 6è. Avy aminy irery ny toromarika rehetra ka miandry ny teniny manaraka isika, hoy izy. Na hisy aza ny convention, tondrozotra ihany no hananganana tanana, hoy ity solombavambahoaka ity.  Mitovy amin’ny vita tany Mahambo ny herin’ny convention 14 oktobra ka avelao hanao fa raha ny vava no mahavita firenena dia afaka mitondra avokoa ny rehetra, hoy Atoa Henri Victor Faratsiho.  Vao isika no tsy manao sonia dia tsy manankery ny convention satria isika no maro an’isa, hoy i Mamisoa avy any Ambatolampy. Ny ketrika ve izany dia hiverina “zerô” foana ny zavatra rehetra ? Milamina ny tany raha manatanteraka ny fampanantenany ny fitondrana. Ny  1947 no mila haverina satria feno ny fepetra fa tanan’ny Frantsay foana no manao zavatra eto, hoy i Manoela.

Zokiolona :

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT