Misy tompon’andraiki-panjakana ao anaty governemanta sy mpanao politika mampiaka-peo mafy amin’ny tsy tokony hodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy Atoa Rarison Hilarion tao amin’ny Magro Behoririka omaly, nefa tsy mbola nisy nanenjika azy ireo tamin’ny halatra tao amin’ny Tiko Toamasina tamin’ny fotoanandron’ny Tetezamita
Raha ny amin’ilay resaka cybercriminalité indray, hoy ity mpitari-tolona ity, dia tsy tamin’ny andron’ny CT sy CST no nahalany azy io teny amin’ny parlemanta fa tamin’ny 19 mey 2014 ka mety latsa-nenina ny nifidy azy. Figadrana 2 ka hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ary onitra 4 tapitrisa ariary ho an’izay mamingavinga mpitondra anatin’ireny hafatra alefa amin’ny aterioneto ireny. Ary tsy aterineto ihany fa hatramin’ny telefaonina finday misy mihaino koa aza. Mba tsy hisian’ny tsikera intsony mihitsy no antony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.