Politique

Magro Behoririka Haino aman-jery nakatona sy Tiko no andrasana hisokatra


  • Zoma 16 Janoary 2015

Tsy maintsy tanteraka ny fampihavanana, tsy voasakana io, hoy Rtoa Berthine tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Voatendy iny ny PM dia miandry ny fanendrena minisitra isika, hoy i Guy Roger gadra politika taloha

Rakotra ny rano i Madagasikara, ny tany atahorana hilatsaka ka tokony handray andraikitra avy ny tompon’andraikitra rehetra fa efa mafy amin’ny Malagasy ny miady amin’ny fiainana. Miandry ny tenin’ny FFKM rehefa voavaly ny fanontaniana 33. Haino amanjery sy Tiko no andrasana hisokatra ankoatra ny fahafahan-dRavalomanana tanteraka, tsy mbola tafavoaka amin’ny ala tanteraka ny firenena. Fifamelana, fiekena fa diso dia atao amin’ny fo dia mandeha ny fampihavanana, hoy Randrianjatovo Henri avy any Faratsiho. Azy ny azy raha ny politikany mpiakamakama fa raha mampilamina ny tany sy manakana ny trafika ny jeneraly dia tsara, voafehy ny tany. Hiteny hono Rajoelina, fa maninona ny sasany afaka miteny dia ny sasany tapenam-bava ? Tokony ho amin’izao fotoana izao ny tafika no miasa fa heniky ny rano ny tany, ny tany koa mianjera eran’ny tanana ary aiza ny tompon’andraikitra  e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT