Mandraisa anjara raha misy fomba hahafantsika mandray anjara amin’ny fampihavanana, hoy Randriamamiarizafy Ignace avy any Moramanga teny amin’ny Magro Behoririka, fa misy kaomisiona maro azo hitsofoana amin’izy ireny
. Misafotofoto be izay tsy izy ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy izy, herintaona aty aorian’ny naha-filohampirenena an’i Hery Rajaonarimampianina. Misafotofoto ny ao amin’ny governemanta sy ny eny Tsimbazaza. Ny tsy fisian’ny tsy fandriampahalemana manginy fotsiny.Tsy misy iray mangirana mihitsy afa-tsy ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko. Tsotra no antony mahatonga izany dia ny tsy fanajana ny lalàna na fanaovana lalàna petatoko. Miankina amin’ny fanajana ny lalàna no mampihemotra na mampandroso ny firenena. Aminay dia fandikana ny lalàmpanorenena ny fizarana ho enina an’Antananarivo. Anjaran’ny depiote sy ny governemanta hoy kosa i Rarison Hilarion avy any Fianarantsoa no mifampiraharaha amin’ny fahazoana fiara 4×4 fa tsy tokony avoaka ampahibemaso tahaka ireny. Tsara, hoy izy, fa efa mba niavaka tamin’ny nataon’Atoa Kolo Roger ny fanolorana ny fandaharan’asa nataon’ny praiministra Ravelonarivo Jean fa dia tamin’ny teny malagasy manontolo no nanaovany izany.Mety zavatra kely izany amintsika fa goavam-be eo anatrehan’ny firenena sy izao tontolo izao. Ny fanatontosana ny zava-boalaza aloha dia mbola sarotra ary betsaka ny zavatra miandry ny governemanta. Izany hanatontosana fifidianana amin’ny fo madio izany dia nofinofy raha tsy ao anaty firenena milamina. Manao antso avo sy manolo-kevitra ho an’Atoa filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny tenako : aleo mifampiraharaha amin’ny filoha Ravalomanana fa any aminy ny lakile. Tsy maintsy miroso amin’ny fampihavanana isika raha tsy izany tsy mandeha io fampandrosoana io. Manosika ny FFKM isika amin’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.