Tandremo ihany ny lainga toy ny afafain’ny fampielezam-peo any ivelany izay marihana fa anisan’ny onjam-peo nankasitraka ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, hoy ny Dr Juliette omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka.
Mirary soa an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny adidy mavesatra iantsorohany indrindra manakaiky ny 13 janoary, hoy izy. Mitohy ny tolona na tsy misy mpitarika aza ary raha tsy mbola tafapetraka ny iriana ho an’ny firenena dia mitolona hatrany, hoy i Manoela nanampy izay. Mila mailo fa misy tsy maty voalavo an-kibo te hanakorontana mba tsy ho tanteraka ny 13 janoary. Fifampiresahana mankany amin’ny fampandrosoana no iriana, mba ny hevitra amin’izay no miady fa tsy ny olona. Famerenana ny amin’ny sabotsy no atao rahampitso (anio) alarobia. Misy tsy makasitraka ny maha ao an-trano an-dRavalomanana nefa mbola tsy afaka miteny akory ary ny ratsy tsy kely lalana ka tandremo amin’ny 9 janoary raha voaasa ho eny Iavoloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.