Nambara ampahibemaso tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny fiafaran’ny fotoana omaly fa afaka nody any an-tokantranony ny MCT taloha Feno rehefa nahazo sazy mihantona 6 volana taorian’ny fitsarana natao azy omaly teny Anosy
. Nahafaly ny vahoaka ny trangan-javatra fa nody ventiny ny fitakiana natao sy ny fifandrimbonan’ny samy mpitolona satria nanome mpiaro ny voapanga ny ankolafy Ravalomanana taorian’ny fivoriana maika nifanaovan’ireo depioten’ny ankolafy sy ny fianakaviana ary ny vady aman-janak’i Feno afak’omaly talata. Voalaza moa fa fanakorontanana filaminam-bahoaka no nitazonana vonjimaika am-ponja ity mpitari-tolon’i Magro ity. Tsy izahay eto amin’ny Magro mihitsy no manakorontana, hoy i Manoela, namaly ny antso nataon’ny mpomba ny filoha Rajaonarimampianina miampanga azy sy ny eny amin’ny Magro ho mpanakorontana eto amin’ny firenena, fa ianareo mpomba ny fitondrana amin’ny alalan’ny mitandro ny filaminana no tena manao izany. Mbola lavitra ilay fampihavanana raha ny teny avoaka amin’ny haino aman-jery isan’andro no asian-teny, hoy i Justin tao anaty kabariny. Dia hifamingana, sy hanao ory hava-manana ary hazo avo halan-drivotra eto hatrany isika mianakavy nefa ny tany hafa mandroso foana. Raha ny 7 febroary foana no resahana dia iza ary ireo miaramila nitifitra satria ny miaka-dapa hatrany no diso rehefa fanonganam-panjakana ? Politikan’ny tia tena sy fivarotana tanindrazana no hita teto ary tsy mbola mibebaka ihany ny nanao izany. Olona tia tanindrazana tahaka an’i Marc Ravalomanana no ilainy ‘ny firenena ary ao ambadikany ny vahoaka malagasy. Mitohy ny tolona eny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka isan’andro fa hiavaka kosa ny amin’ny sabotsy izao hisian’ny fizarana “Kits Scolaires” hotarihin’ny minisitra teo aloha, Botozaza Pierrot.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.