Politique

Magro Behoririka Aleo ratsy mpanolotsaina toy izay halam-bahoaka


  • Zoma 20 Febroary 2015

Efa nanambara ireo CT sy CST mpitarika kabary isan’andro ao amin’ny kianja Magro Behoririka tamin’ny alarobia fa andeha hanotrona ny fifampiarahaban’ny movansa Ravalomanana any Toliara hatao amin’ny sabotsy izao ny ankamaroan-dry zareo ka somary vitsy dia vitsy ihany ireo mpiandry tanàna niakatra lapihazo nitondra hafatra an-kabary omaly

. Anisan’izany Rakotomandimbindraibe Mamisoa avy any Ambatolampy izay nanambara fa rehefa nangina i Dada dia mangina isika na dia vitsy aza ny olona ao anaty governemanta. Ny fitondrana ankehitriny dia tsy fantatro, hoy izy, fa amiko dia aleo ratsy mpanolotsaina toy izay halam-bahoaka. Manana fahamarinana mantsy io vahoaka io sady efa nilaza fa mba  henoy ihany. Manodidina ny fifidianana kaominaly ho avy dia nanambara mazava ity depiote taloha ity fa efa nifanarahana tany ambony tany fa tsy misy intsony ny kandida milatsaka avy any ambony fa avy any amin’ny fototra daholo izay mirotsaka hofidiana eo. Ny zava-misy aloha hatreto, hoy izy,  any amin’ny distrika sasantsasany any, araka ny tatitra azo, dia misy kandida fetsy loatra ka mitondra olona maro dia milaza fa izay betsaka no lany. Misy olona sahy mitondra olona an’arivony amin’izany nefa mety tsy hankasitrahan’ny vahoaka akory, hoy izy. Amin’ny anaran’ny movansa Ravalomanana izay matanjaka ankehitriny moa no hilatsahana ka izay no mahatonga ny kajikajy ratsy fototra, ohatra izany. Mila mitandrina isika noho izany,  hoy ny depiote Mamisoa ka mila dinihana tsara alaina ambony alaina ambany izay olona atolotra. Isika, hoy izay namarana ny teniny, dia mitsinjo lavitra ka tsy ny tombontsoan’olon-tokana no jerena fa ny tombontsoam-pirenena.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT